2 Thessalonians 3

1Ankehitriny, ry rahalahy, mivavaha ho anay, mba ho deraina sy homem-boninahitra ny tenin’ny Tompo, dia tahakan’izany ihany koa ny aminareo. 2Mivavaha mba ho afaka amin’ireo ratsy fanahy sy olon-dratsy izahay, fa tsy ny rehetra no manam-pinoana. 3Fa ny Tompo dia mahatoky, izay manamafy orina sy miambina anareo amin’ilay ratsy.

4Manana fahatokiana amin’ny Tompo momba anareo izahay, mba sady hanaovanareo no hanohizanareo ireo zavatra izay nandidiana anay ianareo. 5Ny Tompo anie hitarika ny fonareo ho amin’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fiaretan’i Kristy.

6Ankehitriny mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiala amin’ireo rahalahy rehetra izay miaina ao anatin’ny hakamoana sy tsy araka ireo fomban-drazana izay noraisinareo taminay. 7Fa ianareo tenanareo dia mahafantatra fa mety aminareo ny maka tahaka anay. Tsy niaina teo anivonareo tahaka ireo izay tsy nanana fitsipika izahay. 8Tsy nihinana sakafon’olona tsy naloa vola izahay. Fa kosa, niasa andro aman’alina tamin’ny asa sarotra sy ny zava-tsarotra izahay, mba tsy ho enta-mavesatra ho an’ny tsirairay aminareo. 9Tsy hoe nohon’ny tsy fananana fahefana no nanaovanay izany. Fa kosa, nanao izany izahay mba ho fitaratra ho anareo, ka mba hanahaka anay ianareo.

10Rehefa niaraka taminareo izahay, dia nandidy anareo hoe: “Raha misy iray tsy te hiasa, dia tsy tokony hihinana izy.” 11Fa mandre izahay fa miraviravy tanana ny sasany aminareo. Tsy miasa izy ireo fa mpitsabaka. 12Ankehitriny ireo olona tahaka izany dia didinay sy hanarinay amin’i Jesosy Kristy Tompo, mba hiasa am-pahanginana sy hihinana ny sakafon’izy ireo manokana.

13Fa ianareo, ry rahalahy, aza mamoy fo amin’ny fanaovana izay marina. 14Raha misy tsy mankatoa ny tenintsika amin’ity taratasy ity, mariho eo imason’ny olona izy ary aza manana fifandraisana aminy, ka mety ho menatra izy. 15Aza raisina ho fahavalo izy, fa hanaro ho toy ny rahalahy.

16Fa ilay Tompon’ny fiadanana anie hanome fiadanana anareo amin’ireo fotoana sy amin’ireo fomba rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo. 17Ity no fanaovako veloma, izaho Paoly, tamin’ny tanako, izay famantarana amin’ny taratasy rehetra. Izao no soratro. 18Ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika anie ho aminareo rehetra.

Copyright information for PltULB